....................

....................

dimanche 18 mars 2012

ID card: Kara-panondro

Manamboatra kara-panondro


To make a duplicate of the ID card -Inona ny atao anao izay tompoko? What can I do for you? -Hanamboatra karapanondro aho, tompoko I would like to make a duplicate of my ID card -Efa nanana sa mbola tsy nanana mihitsy? Have you already have one or is it for the first time? -Very ilay izy dia hanao solony tompoko. I lost mine so I need to make a duplicate. -Hay diplikata? ka fantatrao ve ny laharan'ny karatrao? A duplicate one? I see, do you know your ID numbers? -Tsy fantatro tompoko. I don't, sir. -Dia ahoana koa izany? Ary na ny taona nanaovana azy aza ve? Really? not even the issuing year? -Tamin'ny taona roa arivo angamba tompoko! Maybe in 2000, sir. -Ka mila jerena ao amin'ny bokin'ny lisitry ny mpifidy ny laharanao izany. Andraso kely. (afaka adiny iray) Ity hita tao amin'ny fisoratana anaran'ny mpifidy ny nomeranao. Mila manao filazana kara-panondro very aloha any amin'ny polisy mifanaraka amin'ny toerana ipetrahanao ianao. Ery amin'ny paositry ny polisy ery Analamahitsy no tsy maintsy alehanao.Dia avy eo miverina eto ianao mitondra io filazana karapanondro very io. I need to check in the election list for you ID numbers. Wait here a minute. (one hour after) here is your ID number. I found it in the list of voters. But first you must declare the loss of your ID card at the police station nearest to your home. You need to go to Analamahitsy. And then you need to come back here with the declaration. The next day. At the police station -Inona ny anao izay? Can I help you? -Hilaza karapanondro very tompoko. I want to make a deposition about the loss of my ID card. -Mila miandry laharana kely fa tsy misongona tompoko. You first need to make the queue like anybody else, you must not jump the queue. -Mila vola roanjato, sary efatra ary ny bokim-piankohonana, ary fenoy ity taratasy filazana karapanondro very ity. You need to bring two hundred ariary, four ID photos, and the family book, you need to fill up this form to declare the loss. -Vita? Is it ready? -Mbola tsy vita e! andraso kely ao ivelany ao aloha e. Mila miandry ny mpanao sonia, fa vao nivoaka any ny komisaire fa nisy mpangalatra tratra, izy no manao sonia. Not yet, you have to wait outside first. We must wait for the person who will sign the paper. The superintendent has gone out to arrest a thief, he is the one who will sign. Afaka adiny iray. after one hour.- -ka ity ilay filazana karapanondro very fa voasonia.Veloma. Here is the signed declaration of ID loss.Bye. The next morning. Ao amin'ny biraon'ny fokontany At the office of the representative of the quarter. -Ka vita ilay filazana karapanondro very tompoko. I am back with the report of ID loss -Tsara izany. Mila manao ireto antontan-taratasy ilainao ireto ianao: fenoina ity fanamarinana ny toerana onenana ity, manome vola telon-jato ianao; dia mila manao fotokopia roa ny bokim-piankohonana, omenao eto; dia mila ny fanamarinana ny toerana nahaterahana alaina any amin'ny firaisana nahaterahanao. Rehefa vita izay dia mila makany Isotry maka nomerao renikaratra, afahanao makany Ambohitrarahaba manao ilay karatra, mila sary telo, sy vola arivo ariary, dia avy eo maka ilay karapanondro vita afaka tapa-bolana. Good, you must bring here the following papers: first you fill this certificate of residence, you give it to me; you need the birth certificate, you take it to the Firaisana related to your birth place. After that, you need to go to the firaisana of Isotry Andavamamba to find the number of the original copy of your ID card. Then you go to Ambohitrarahaba to do the ID card itself, you need three photos, one thousand ariary, and after two weeks, you come back to take the finished ID card. -Fa ilaiko rahampitso ange ilay karapanondro fa hanao permis aho?! but I need it tomorrow, I have to sit for my driving licence; -Ka izay ihany ny fandehany fa tsy mety mitsy e. Izay ihany ny delai fanaovanay azy! Ka ahoana? It is so, we cannot do anything. The time for doing it is the same for everybody. It is the same time for everybody. So what do you decide?
-Avelao ary handeha toy izao ihany e. Let it then be done at the same pace as everybody's. The following day. Ao amin'ny firaisana -Inona ny anao izay? What can I do for you? -Hanao fanamarinana ny toerana nahaterahana tompoko. I need to make a birth certificate, sir. -ka mila milahatra ery aloha ianao. You first need to queue as everybody. -ka fenoy ity taratasy ity momba ny anaranao sy ny adiresinao ary ny daty nahaterahanao, mila vola roanjato ary ny fotokopian'ny bokim-piankohonana. Dia andraso eto fa atsoina ny anaranao rehefa vita. Fill this form please, it is about your name, address and date of birth, then you need to pay two hundred ariary, and bring the family book's photocopy. Then wait there, your name will be called out. -Rabesaritaka Fenosoa? Rabesaritaka Fenosoa? -Izaho tompoko. Here, sir. -Ity ny taratasinao, amarino tsara sao misy diso. Here is your paper. Check if there is any mistakes. -Mety daholo tompoko. everything is ok, sir. -Veloma ary. Bye then. The next day. Eo ampilaharana ao amin'ny firaisan'ny Ambohitrarahaba At the queue at the Firaisana Ambohitrarahaba -Efa nentinao daholo ve ny taratasy ilaina rehetra?. Did you bring all the necessary papers? -Eny tompoko.
Yes I did, -Ka milahara eo ary aloha. Amin'ny folo vao mandray olona ny mpiasa.Mila vola roanjato ary ny nomeraon'ny renikaratra . Ok, then, make the queue like everybody else. People are received at ten o'clock only. You need to bring two hundred ariary and the ID original numbers. -renikaratra a? Inona izany? Original card? What is that? -Ieny e, mila makany Isotry Andavamamba maka ny nomerao fa tsy afaka manao mihitsy izahay raha tsy misy io nomerao io. Of course, you need to go to Isotry Andavamamba to take the number, we cannot at all do anything if we don't have that number. -??? Firaisana Andavamamba -Fa aiza ary izany firaisana izany e. But where is this firaisana? -Eto ihany e. here it is. -Saika haka nomerao renikaratra tompoko. I'd like to look up for my ID original number sir. -Ka andraso eo fa mbola tadiavina izany ny nomerao Wait here, we need to look up for the number. -Ka ity ilay izy. Afaka makany Ambohitrarahaba avy hatrany ianareo manao io kara-panondro amin'izay. Here it is, you can go straight back to Ambohitrarahaba to do the ID card. The following day. Firaisana Ambohitrarahaba -Ka niverina eto izahay miaraka amin'ilay nomerao renikaratra. Here we are back with the original numbers. -Tsara izany, apetaho eto ny fanondronao, asio sonia ity taratasy ity, fa afaka tapa-bolana miverina fa izay vao vita ilay izy. good, stamp your fingers here for fingerprints, you need to sign this paper, after two weeks you can come back, it will be ready. -??? fa toa ela be? But this is very long? -Ka izay ihany madama a. That's the usual time for doing it, madam. -Dia izay izany koa! Ampy daholo ve ny taratasy rehetra anefa? So it is. Are my papers all right at least? -Ie, afaka tapa-bolana izany alainao eto ny kara-panondronao. Yes, they are. you can come back after two weeks. -Ilaiko maika anie ilay izy e!?? But I need it very quickly?! -ka tsy tokony narianao ny anao e!! So you must have not lost it in the first place!!! -Eny ary e! Tonga amin'ilay hoe: izay voa manodidina. Fine then! It is according to the saying: only the one who suffers knows the measure of the pain. After two weeks. Afaka tapa-bolana: after two weeks -Ka dia tonga aho haka ilay karatra. I'm back to take my ID card. -mila milahatra vao maraina madama a, maka nomerao ery aloha, alohan'ny amin'ny folo fa aorian'izay tsy mizara nomerao intsonyizahay. Dia atsoin-dry zareo ny anaranao amin'ny iray ora. Mbola miandry mpanao sonia alohan'ny amin'ny iray ora. Madam, you need to queue very early in the morning, you will be given a number, before ten o'clock, because after that hour we don't deliver any number anymore. Afterward, we call for your name at one hour pm. We need to wait for the person who puts the signature. -Rabesaritaka Fenosoa? Rabesaritaka Fenosoa? -Izaho tompoko. Here, sir. -ity ny kara-panondronao, ry madama maika be, ary aza ariana intsony amin'ny sisa. here is your ID card-Madam who is always in a hurry- don't lose it anymore in the future time. -???! misaotra tompoko. ??! thank you, sir.