....................

....................

mardi 20 mars 2012

Kilalaon-teny





KILALAON-TENY

1-Firy ny folo ampiana iray ?
Iraikambin’ny folo
2-firy ny isan’ny rantsana amin'ny tànana iray ?
Dimy
3- firy ny isa manaraka ny valo?
Sivy
4- iza iry ambony iry ô?
Izaho ihany ity ô!
5- izay mahasahy maty mifono….?
Lambamena.
6- inona ny anaran’ ny volana mialoha ny septambra?
Aogositra
7- inona no anaran’ilay vorona vy, azo itondrana mpandeha?
Rôplanina
8- ray aman-dreny. tohizo: akoho …
Amam-borona
9-mandeha mianatra aiza ny mpianatra?
Any na-tsekoly.
10- Milahatra ny ankizy telo. Soa, Lova ary Bao. Soa sy Bao no voalohany sy farany. Aiza I Lova?
Eo anelanelany.


KILALAO

1- Aiza ny olona no matory?
Ao anaty fandriana.
2- Manana kanety efatra i Mavo ary kanety enina i Ravo. Iza no manana kanety betsaka?
I Ravo.
3- Efa-joro ve ny tany?
Tsia, boribory.
4- Inona no anaran’ny zanaky ny akoho?
Akohokely.
5- Inona no teny manaraka ny “ry tanindrazanay”ao amin’ny hiram-pirenena?
Malala ô
6- Ny kitoza dia hena atono? Marina sa tsy marina?
Marina.
7- Rehefa faly ny olona dia mitomany sa mihomehy?
Mihomehy.
8- Raha analana telo ny fito dia manome firy?
Efatra.
9- Manana kodiarana roa ny fiara. Marina sa tsy marina?
Tsy marina. Efatra.
10- Inona no anaran’ny sakafo hanikanina rehefa te-hihinana, amizao na arahina toaka?
Tsakitsaky.

-----




MARKETS of Antananarivo