....................

....................

samedi 3 mars 2012

miantsena : buying something



Miantsena
Dialogue A
- Ohatrinona ny vorotsiloza (1) ?
- Telo arivo ariary (2) ihany ramose a
- Azo iadiana varotra ve?
- Ie, ohatrinona no omenao?
- Roa arivo ariary no aty amiko e
- Tsy lasa fa ampio kely ramose a
- Hoatrinona ary ny farany e?.
- Lazao ramose izay zakanao a
- Valonjato sy roa arivo ariary e, (3)
- Ity ary ny anao e.
- Misaotra e

Your turn
Dialogue A:
(1) Akoho/amalona/ gisa/ ganagana
(2) efatra arivo ariary / dimanjato ariary/enina arivo ariary/fito arivo ariary
(3) telo arivo ariary/ efajato ariary/ dimy arivo ariary/ enina arivo ariary.

--- =""=
Dialogue B
- Inona no atao an’i Madama?
- Ohatrinona ny vidin’ny voataby ? (1)
- Roapolo ny tokony (2)
- Ohatrinona raha maka tokony roa?
- Ataoko dimy amby telopolo izany e
- Ity ary e, misy kado ve?
- Efa tena mora be madama, amin’ny manaraka indray.

Your turn
(1) ovy/ karoty/laisoa
(2) telopolo/efapolo/dimapolo

=" ="=
Dialogue C
- Inona ny atao an’i Madé ?
- Hoatrinona ny kilaon’ny akondro? (1)
- Telonjato ihany ny kilao ry Madé a (2)
- Mahazo miady varotra ve ? mba ataovy roanjato fa haka telo kilao aho.
- Io ary Madé fa maika ny hody aho a, ampiana voasary ve?
- Tsia , fa maika be koa aho,
- Ity ny akondro kadoanao, ry Madé a, ity ny famerom-bola.
- Misaotra.
Dialogue C
(1) letisy/ poara/poma
(2) valonjato/roanjato/ariary zato
=" ="=
Dialogue D
- Hoatrinona ny Frigidaire? (1)
- Telo alina ariary io tompoko. (2)
- Misy adivarotra ve?
- Tena izay mihitsy ny vidiny fa tsy midina intsony ramose a
- Ary rahoviana ny manao varoboba ianareo?
- Tsy manao izany intsony izahay.

Dialogue D:
(1) télé/ finday/ ôtômobila
(2) sivy alina/ valo alina/fito alina