....................

....................

mardi 29 mai 2012

CLASSROOM MALAGASY: atsangano ny tànana raise your hand





Answer the questions = valio ny fanontaniana
Clean the blackboard = fafao ny tabilao
Close your textbook = akombony ny boky
Come to the blackboard please. = Mankanisa aty amin’ny tabilao
Do the exercise= ataovy ny fanazarana
Do you have any questions?= Misy fanontaniana?
Do you understand? = Azonareo ve?/ Mazava ve?/ Mazava?
Do your homework. / Ataovy ny entimody
Don’t treat = aza mangalatahaka
How do you say … in Malagasy= ahoana ny filaza ny teny hoe ………… amin’ny teny gasy/Malagasy ?
I don’t have any questions = aaa, tsisy fanontaniana/ Tsisy.
I don’t know= tsy haiko
I’ve forgotten= adinoko
Keep quiet, please.= Aza mitabataba/ mangina.
Listen carefully = henoy tsara aho
Look up here = jereo aty
No, I don’t really understand= Aaa, tsy azoko tsara
Open your book at page 20=. Sokafy ao amin’y pejy faha roapolo ny boky
Open your text book= sokafy ny boky
Please read aloud= vakio mafy, azafady.
Please speak / say it slowly = mitenena miadana, azafady
Please write it down = raiso an-tsoratra azafady.
Please, speak / say it in Malagasy? = Ataovy amin’ny teny gasy/ teny Malagasy hoe?
Put down your pen = apetraho ny penina/ ny stylo
Raise your hand = atsangano ny tanana
Repeat after me = avereno
Take out your textbook= avohay ny boky
Take your copybook= raiso ny kahié
That’s correct = marina
That’s not right = diso
Try it again = avereno indray
We’ll stop here today = mifarana ny kilasy.
Yes, I have a question = Misy fanontaniana, azafady.


lundi 28 mai 2012

Ny rano: water supply

TEXT:

Velon-taraina ny mponina eny Ambohidrapeto. Tao anatin'ny dimy andro, tsy nandeha ny ranon'ny Jirama ary tsy mbola nisy tompon'andraikitra nijery izany hatramin'izao. Vokany, voatery matsaka any an-doharano ny mponina. Dia an-tongotra antsasakadiny anefa vao mahita loharano hatsakana. Manarama olona hatsaka ny tokantrano sasany ka vidina 600 Ar ny iray siny [raha Ar 200 no saran'ny rano isam-bolanaamin'ny paompy, na Ar 10 isaky ny eran’ny « seau » raha mpatsaka no maka azy]. Mandefitra avokoa ny sasa lamba indrindra ho an'ireo mpitaiza kely. Entina eny an-drenirano ny lamba kanefa tsy ara-pahasalamana izany rano hanasana ny lamban-jaza izany. Ny tena filàna toy ny handrahoana sakafo sy hidiovana mialoha ny handehanana hiasa sisa no tena vidina amin' izany rano 600 Ar izany ny iray siny. (...) Amin'ny alina sy vao maraim-be ihany no mandeha ny rano na ny eny amin'ny paompim-pokonolona na ny isan-tokantrano izany. (....)


Mercredi, 14 Septembre 2011 [Gazety Taratra]



Comprehension questions:
1-What is the nature of this text?
a-a press article b) an extract from a novel c) a scientific article
2-What is the issue described in the text?
a) power cut-off b) water and electricity cut-offs c) water cut-off
3-How long was the problem on?
4-If the users did not queue for the water, they would have to walk two hours to find a fountain.
True or False.
5-If they hired someone to fetch for water it cost five hundred ariary the bucketful. True or False.
6-How much was the difference of the price of a bucketful of water?
7-The problem with the water supply was that the public pumps and the houses were only supplied from 10 o'clock in the morning till 5 o'clock in the afternoon. True or False.
8-The users did not pay their bills, that was the reason why Jirama cut off the water of the area. True or False.


Answers:
1a-2c-3-five days 4-false: half an hour-5-false-six hundred ariary-6-normally a bucketful of water costs 10 ar so the difference was of 590 ar, because it cost 600 ariary in the time of cut-offs. 7-false-from 10 at night till 5 o'clock in the morning. 8-true, the price of water is so high that the users have been used to not paying for their bills.

*reference: photo taken from www.vakanala.org

dimanche 27 mai 2012

WH questions: Fanontaniana





WH- QUESTIONS: FANONTANIANA

Wh- question
Present tense
Past tense
Future tense
WHERE
aiza
Taiza
Ho aiza
WHAT
inona
*
*
WHY
Maninona
Naninona
Haninona
WHO
iza
*
*
HOW
Ahoana
nahoana
*
WHOSE
An’iza
*
*

WHERE : AIZA
Aiza ianao ? (present tense) where are you ?
Na iza na aiza: wherever
Taiza ianao? (past tense) Where have you been?

WHAT : Inona
INONA no asanao? What is your profession?
Na inona na inona (ninoninona): whatever
what time? amy firy? amy firy izao? what time is it? (past: tamy firy?)

WHY: Maninona
WHY: Maninona no mitomany iao? Why are you crying?
Naninona no nihomehy ianao? Why did you laugh? (Past tense)
Haninona eto ravorona? Why is the bird coming here? ( what is she intending to do when coming)
Na maninona na maninona : for any reason there is

HOW :
Ahoana (present tense)
ahoana no fandrahoana laoka? How do I cook the meat?
- how much: ohatrinona? ohatrinona ny vary? how much is rice?
- how many: firy? firy taona ianao? how old are you?
- how long? hafirina? hafirina no ho aty Antsirabe ianareo? how long will you stay here in Antsirabe?
-how big? lehibe ohatry ny ahoana? how big is the house? lehibe ohatry ny ahoana ilay trano?

Nahoana (past tense) Nahoana no lafo be ny vary? Why was rice so expensive?
*mahoana/* Hahoana don’t exist

WHO iza
WHO iza ianao? Who are you?
Na iza na iza: whoever

WHOSE an’iza
an’iza ity boky ity?


Exercise:
Fill with the right question word:
1-......... no anaranao?
2-...... ianao no mipetraka?
3-........ity gadana ity no mivoha?
4-...... ity telefona ity?
5-......... ny fandaharam-potoananao androany?
6-.......ny taratasinao?
7-....... taona ianao?
8-.... .... ianao no nody?
9-........ no feno vola ity sakosy ity?
answers:
1-iza
2-aiza
3-maninona/ (n)ahoana
4-an'iza
5-inona
6- aiza
7-firy
8- tamy firy?
9-(n)ahoana/maninona

sokina nanani-bato ka tapi-dàlan-kaleha: to be ensnared by own's trap



SOKINA NANANI-BATO KA TAPI-DALAN-KALEHA.




sokina: a hedgehog
nananika vato: which climbs on a big rock
ka: so, consequently
tapitra : no more exit, come to a dead-end
làlana aleha: way to go

it refers to someone who plots to achieve a goal (for example: to go up the social ladder) and who is ensnared in his own trap (cannot go further).

vendredi 25 mai 2012

Malagasy Bible Baiboly Malagasy: Dikan-teny Iombonana, Dikan-teny Protestanta




THE PROTESTANT AND THE INTERCONFESSIONAL BIBLE VERSIONS



A- Listen to the protestant version of Matthew chapter 1 / Matio toko voalohany: andininy faha 18-25 https://docs.google.com/file/d/0BwDbOGaZ6bSPWnZ6X2JFVENwbUU/edit


MATIO 1: 18 Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.
19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,
21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.
22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe:
23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.
25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.


B- Then listen to the Audio bible of the 'interconfessional version" of Matio 1, 18-25


18 - Toy izao ny nahaterahan’i Jesoa Kristy:
Efa fofombadin’i Josefa i Maria tamin’izay;
raha mbola tsy niray trano anefa izy roa,
dia hita fa nitoe-jaza i Maria, noho ny asan’ny Fanahy Masina.
19 -  Olona marina i Josefa vadiny,
ka tsy te-hanala baraka azy,
fa nikasa ny hametraka azy mangingina.
20 -  Raha mbola niheritreritra izany izy,
dia nisehoan’ny anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy ka nolazainy hoe:
“Ry Josefa taranak’i Davida ô,
Aza matahotra hampiakatra ny an’i Maria vadinao.
Noho ny asan’ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy,
21 -  ary hitera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoany ny zaza.
Fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin’ny fahotany”.
22 -  Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan’ny
Tompo tamin’ny mpaminany hoe:
23 - “Indro hitoe-jaza ny virijiny ka hitera-dahy
Ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Imanoela”
Izany hoe: “ Miaraka amin-tsika Andriamanitra”
24 - Vao nifoha maraina i Josefa dia nanatontosa izay nandidian’ilay
anjelin’ny Tompo azy,
ka nampakatra an’i Maria vadiny.
25 -  Tsy niray tamin’i Maria i Josefa mandra-pahatera-dahy  an’i Maria,

ary Jesoa no anarana nomen’i  Josefa ny zaza.


and find the equivalent words :


Protestant
Interconfessional
1
Jesosy
J……………..
2
Mbola tsy nivady
Mbola tsy ……
3
Nisaina
Nihe……
4
zanak’i Davida
Ta…….. Davida
5
Zaza ao ankibony
…………..jaza azy
6
Hiteraka zazalahy
Hitera-…………
7
Amintsika Andriamanitra
Mia………..
Andriamanitra
8
Nahatsiaro tamin’ny torimaso
Raha vao ni…… ma…..
9
Tsy nahalala
Tsy ni……tamin’i … i Jo…..


Answers:
1-Jesosy: Jesoa
2-mbola tsy nivady: mbola tsy niray trano
3-nisaiana: niheritreritra
4-zanak'i Davida: taranak'i Davida
5-zaza ao an-kibony: hampitoe-jaza azy
6-hiteraka zazalahy: hitera-dahy
7-Amintsika Andriamanitra: Miaraka amintsika Andriamanitra
8-Nahatsiaro tamin’ny torimaso: raha vao nifoha maraina
9-tsy nahalala: tsy niray tamin'i Maria i Josefa.



References :
· Text taken from http://www.madabibliq.org: Matio 1 : 18-25
· And audio from http://worldbibles.org
· Malagasy audio bible "protestant version", 3:56 to 5:26
Interconfessionnal: from 2:54 to 4:14
· To watch the film Jesus in Malagasy Language (tab video): http://worldbibles.org/video

mercredi 23 mai 2012

Diphthongs and stress accent : OA/ AI

Listen and tick: https://docs.google.com/file/d/0BwDbOGaZ6bSPQlkwV2xZME54ZGc/edit






Answers:


kiTAi - DOmy

VOAhirana - VItsika

RAhona - SOloMAso - FEhiKIbo


Remarks:


* The diphthongs in general, and here AI/OA are counted as one vowel though they are pronounced stronger on the first vowel

* domy is from domino

* voahirana is a compound word which is no more counted as compound voa+(h)irana: h is not pronounced /vô'ir'an/

* solomaso comes from solo (substitution) and maso (eyes) so it has two stresses

* fehikibo comes from fehy (to tie) and kibo (belly)

Malagasy stress accent :

Listen and tick in the box where the stress accent is placed






Answers:

ZIpo - HEty - BItro
LObaka - koFEhy - VOlana
kiRAro - SOkatra - AfoKAsoka



Remark:

zipo comes from jupe: skirt in French

afokasoka is a compound word which comes from afo (fire) and kasoka (scratch) = so it has two accents

dimanche 20 mai 2012

ADIM-PIAINANA (ady ny fiainana): life is a struggle

Nono is a Malagasy singer who told the truth about life in Madagascar: he sang that life is hard, and so it has an influence on the couple, or family lives.


watch the video here  https://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=R7JfV2rQ-oc


Hoy ianao

Hoy ianao :
Ny fiainana tsy vita moramora
Fa mihasarotra isan'andro, isan'andro
Isan'ora!
Fa na dia hisy aza izany na tsy hisy,
Ny omaly ihany no mbola androany
Tsy ampiampy foana ny ato an-trano... ny ato an-trano...

Hoy Ianao :
Mbola ho hitantsika ny hasambarana!
Mba efa sasa-niandry aho
Tsy mbola hitako nanarangarana
Fa na dia hisy aza izany na tsy hisy,
Ny omaly ihany no mbola androany
Tsy zarizary aky fa mankarary... mankarary...

(music)

Hoy Ianao :
Hiezaka aho hanao ny mety
Mba hamerenana indray ny lohataona
Vetivety!
Fa na dia hisy aza izany na tsy hisy,
Ny omaly ihany no mbola androany
Manahy mafy aho, mangatsiaka aho...mangatsiaka aho...

Complete the Malagasy song lyrics : Ray ô! My heavenly Father!

Ray ô! My Heavenly Father!

Go to this website and read the poem

http://www.freewebs.com/radopoete/dinitrasueur.htm
then listen to this song and fill the gaps:
https://www.youtube.com/watch?v=HFjKrq85UuI

1......................!
raha tsy ........... ve ny .............
mandrotika, mamelovelo
.................. tsy mba .................... aho?
..........................

2
Raha tsy misy ....................?
............... sy mety ilaina?
.............. tsy hahatsiaro
ny ...................................


3
................................ irery
no, no tiany ...................... oooo
ny ........................
sy ny hakiviny

4
tsy ho haiko ny hitantara
sy hizara .............................
ireo tomaniko .............
.............................................

5
fa ianao ..........................
no tiako .........................oooo
ireo ...................................
mbola .................................

6
fa raha toa ka sitrakao
................................
omeo ireo izay ................
ny .....................niriny
nokasainy sy mba tiany


7 (X2)
raha toa ka ...............
ray ô
omeo ireo............
ny ...............izay niriany
nokasainy sy mba .....................

8 (X2)
raha toa ka .................
omeo ireo izay ................
ny zava-..................izay....................
nokasainy sy mba ....................


Answers
1-ray ô/ misy / alahelo/ dia /hivavaka /aminao
2-ve ny andrandraina/mahasoa/dia/anaranao
3- ianao / hijery /fahoriany
4-aminao/nafeniko/hatramizao.
5-.irery/ hijery/..andro/hoaviko
6-ray ô/mitalaho/zava-tsoa izay
7-sitrakao/.izay mitalaho / zava-tsoa/tiany
8-sitrakao/.mitalaho/tsoa/ niriny/tiany

samedi 19 mai 2012

The prayer of the Lord: Ny vavaky ny Tompo






Rainay izay any an-danitra
Ho hamasinina anie ny anaranao
Ho tonga anie ny fanjakanao
Hatao anie ny sitraponao
Ety an-tany tahaka ny any an-danitra
Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay
Ary mamela ny helokay
Tahaka ny namelanay izay meloka taminay
Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy
Fa manafaha anay amin'ny ratsy
Fa anao ny fanjakana sy ny hery
ary ny voninahitra mandrakizay
Amena.