....................

....................

vendredi 25 mai 2012

Malagasy Bible Baiboly Malagasy: Dikan-teny Iombonana, Dikan-teny Protestanta




THE PROTESTANT AND THE INTERCONFESSIONAL BIBLE VERSIONS



A- Listen to the protestant version of Matthew chapter 1 / Matio toko voalohany: andininy faha 18-25 https://docs.google.com/file/d/0BwDbOGaZ6bSPWnZ6X2JFVENwbUU/edit


MATIO 1: 18 Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.
19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.
20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,
21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.
22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe:
23 Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.
24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.
25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.


B- Then listen to the Audio bible of the 'interconfessional version" of Matio 1, 18-25


18 - Toy izao ny nahaterahan’i Jesoa Kristy:
Efa fofombadin’i Josefa i Maria tamin’izay;
raha mbola tsy niray trano anefa izy roa,
dia hita fa nitoe-jaza i Maria, noho ny asan’ny Fanahy Masina.
19 -  Olona marina i Josefa vadiny,
ka tsy te-hanala baraka azy,
fa nikasa ny hametraka azy mangingina.
20 -  Raha mbola niheritreritra izany izy,
dia nisehoan’ny anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy ka nolazainy hoe:
“Ry Josefa taranak’i Davida ô,
Aza matahotra hampiakatra ny an’i Maria vadinao.
Noho ny asan’ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy,
21 -  ary hitera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoany ny zaza.
Fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin’ny fahotany”.
22 -  Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan’ny
Tompo tamin’ny mpaminany hoe:
23 - “Indro hitoe-jaza ny virijiny ka hitera-dahy
Ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Imanoela”
Izany hoe: “ Miaraka amin-tsika Andriamanitra”
24 - Vao nifoha maraina i Josefa dia nanatontosa izay nandidian’ilay
anjelin’ny Tompo azy,
ka nampakatra an’i Maria vadiny.
25 -  Tsy niray tamin’i Maria i Josefa mandra-pahatera-dahy  an’i Maria,

ary Jesoa no anarana nomen’i  Josefa ny zaza.


and find the equivalent words :


Protestant
Interconfessional
1
Jesosy
J……………..
2
Mbola tsy nivady
Mbola tsy ……
3
Nisaina
Nihe……
4
zanak’i Davida
Ta…….. Davida
5
Zaza ao ankibony
…………..jaza azy
6
Hiteraka zazalahy
Hitera-…………
7
Amintsika Andriamanitra
Mia………..
Andriamanitra
8
Nahatsiaro tamin’ny torimaso
Raha vao ni…… ma…..
9
Tsy nahalala
Tsy ni……tamin’i … i Jo…..


Answers:
1-Jesosy: Jesoa
2-mbola tsy nivady: mbola tsy niray trano
3-nisaiana: niheritreritra
4-zanak'i Davida: taranak'i Davida
5-zaza ao an-kibony: hampitoe-jaza azy
6-hiteraka zazalahy: hitera-dahy
7-Amintsika Andriamanitra: Miaraka amintsika Andriamanitra
8-Nahatsiaro tamin’ny torimaso: raha vao nifoha maraina
9-tsy nahalala: tsy niray tamin'i Maria i Josefa.



References :
· Text taken from http://www.madabibliq.org: Matio 1 : 18-25
· And audio from http://worldbibles.org
· Malagasy audio bible "protestant version", 3:56 to 5:26
Interconfessionnal: from 2:54 to 4:14
· To watch the film Jesus in Malagasy Language (tab video): http://worldbibles.org/video