....................

....................

vendredi 15 juin 2012

Antaisaka/ Antesaka dialect;: ny teny fiainana




Ne lala roy

Ne baiboly da mampianatsa atsika fa raha maty ny olo da ny tenany avao ne maty fa ne fagnahiny tsy maty, fa madia amin’ny toerana hafa ny fagnahiny, na an-danitsa izagny na amy ny afobe. Ho velo mandrakizay ny fanahy amin’io toera roy io, na ho velona anilan’i zanahary, na hizaly mandrakizay miaraka amin’ny devoly amin’ ne afobe. Araka ny voalaza da lala roy ny andehanan’ny fagnahy ary lala roy vao koy ne mandeha agny. Efa nizaka ny momba amin’io lala roy io ny zanaky zanahary. Hoy izy : zakabe ny vavahady ary malalaky ny varangara mandeha amin’ ne fahavereza, ka maro ne olo mandeha agny. Ka kity sady pisa koa ny vavahady mandeha amin’ny fiainana mandrakizay ka vitsy no mahita an’azy. Izao no zakan’i Jesosy : za sahala ny lala misy amitsika amin’ izao fiainana izao da ny lala roy io. Ne lala dia ratsy, dia ne lala tsara. Nanomboka tamin’ny nampisy ny fiainana dia tamin’ny lala ratsy no napisy ny olombelo. Ohatry: ny zaza madiniky dia efa mahafatatry mangalatry, hainy ny mavandy, vinitry, tsy magnaiky, miavognavogna, raha miha olobe dia maika vao mahavita zavatra ratsy koa: mamono olo, mina-toaky, mifoka rongony, anina aby io raha ratsy aby io. Izany tamy lala tsara izany da mandeha amy iny izy sy fijalina maharitra mandrakizay. Ne tonga amin’izany lala izany dia tsa afaka ao mihitsy fa mijaly mandrakizay. Ne ty koa amy ilay lala reiky, da ne lala tsara mitondra atsika amy zanaky zanahary da agny andanitsa izany. Ne agny amy zanaky zanahary de tsy ahita ratsy de kitikity, tsy misy alahelo, tsy misy fahoria, tsy misy arety, tsy misy iza fahafatesana iza fa ne fiainana mandrakizay tonga amignao, ary tsy ahita ratsy ne de raiky, ne tsara avy no hita agny andanitra ka faly aby izay tonga agny, ao no ipetrahan’i zanahary sady agny koa no irigny ahitany atsika. Izay izy saroko: raha tiagnao ny andeha amy zanaky zanahary dia tsy maitsy mifidy isika amy io lala roy io: ne ny ratsy iza na ny tsara. izao no zakain’i Jesosy : iaho no lala hoy izy, tsy misy olo mandeha any amin’ny abako afatsy aminy alalako. Izaho no jiosy, i Jesosy reiky ne lala. Raha tiagnao no tonga any andanitra sy fianana mandrakizay da minoa an’i Jesosy ho mpamonjy. Tano ary ny ezakay aminao ary ekeo amin’ny fonao tanteraky, aoka ianao hanaradia an’ i Jesosy ka anolotry ny fiainanao tanteraky. Mangataka ianao ary Jesosy mba ho raisy ny fonao sady ho raisy ny fiainanao. Momba anao mandrakariva ary Jesosy sady mandray anao ary miamby anao agny ambadika fahafatesana, ka noho izany dia tapahy ny hevitranao fa aza mangataka andro ka mizaka amin ‘i Jesosy hoe: mibaboka aho Jesosy fa mpanota fa nony aminahy no nahafaty anao ka mamelahy ny heloko ary mandray anao ho mpamonjy ne tegnako.