....................

....................

jeudi 9 août 2012

Miresaka momba ny asa : Job interview in Malagasy : manana traikefa ianao?= do you have any experience?




How to speak about your job:



Ikoto who  is asking for the hand of Ikala, is speaking to her parents:
A -Tsara asa aho ka !
B-Lazalazao hoe ny momba ny asanao ?
A-Mikarakara momba ny ankizy aho, manafana ny lanonana sy ny fety fitsingerenan’ny taona. Izaho no tompon’andraikitra momba ny fampilalaovana sy ny fampifalifaliana ny ankizy. Mampanao hatsikana sy tantara mampihomehy.
B-Fa nahoana no nahazoanao ny asa? Nahalala olona?
A-An an an. Efa manana traikefa amin’ny fanentanana fety sy lanonana aho. Haiko ny mampitokelaka olona, voafehiko tsara ny momba ny fanentana rehetra, efa nianatra momba izany aho, DJ aho no lasa clown.
B-Ka inona avy no toetra tsara anana raha te hanao ity asanao ity?
A-Mila mahay mifanerasera amin’ny olona. Mila tia ankizy, sy be vazivazy.
B-Fa ohatrinona anefa ny karama?
A-Arakaraky ny mpampiasa ihany io, raha manankarena dia lafolafo, eo amin’ny roa alina ariary isan’andro eo, fa raha mahantrahantra kosa dia valo arivo dia efa mety. Mahazo tolotolo-bola kely koa raha faly ny patron.
B-Mahazo andro fialan-tsasatra mandray karama ve aloha e?
A-Ie sady mahazo mitondra ny mpaka sary video-nao ka azo varotana ny sary na ny film videon’ilay fety rehefa avy eo. Ny sakafo sy ny fré taxi koa dia iantohan’ny mpampiasa.


**************

Language patterns

lazalazao ny momba ny ( asanao) = tell us about (your job)
Mikarakara momba ny... it concerns with
tompon’andraikitra momba ny... responsible about .....
Mampanao... I do this/ I make people do this.....
manana traikefa amin’ny.... (I) have experience in...........
efa nianatra momba..... I studied about......
toetra= knowledge/ good disposition
Mila ( mahay)... you need to (know).....
Arakaraky ny... it depends on the.....
andro fialan-tsasatra mandray karama (also called congé lik ein French) : paid days off
mahazo... = you/ I have...(other advantages)
iantohan’ny mpampiasa... paid by the boss...


**********